<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>I.D. Sankey</author>
<hymn_number>559</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 He, vetivety ny atý an-tany,
 Fa trano lay no itoeranao ;
 Ka aza ketraka na mitomany,
 Fa andrandrao ny
 tanindrazanao.

[V2]
 He, vetivety ao an-dalan-tery
 No mahasarotra ny dianao,
 Ka aza kivy, fa Ilay Mahery
 Mamboa-trano hitsaharanao.

[V3]
 He, vetivety ao an-tany maina
 No mahabe ny fijalianao,
 Ka dia ho hitanao ny
 ranon'aina
 Hahafaka ny hetahetanao.

[V4]
 Arahonao ny lalan-toratady,
 Mba hahafaingana ny dianao ;
 Jesosy Tomponao no
 vavahady,
 Ny lanitra no hovantaninao.

[V5]
 He, vetivety ary dia ho hita
 Ny tany soa mandry fahizay ;
 Jesosy ô, faingàna hahavita
 Ny fikasanao tsara aminay !</lyrics>
<title>He, vetivety ny aty an-tany FFPM559</title>
</song>